Atlantic Group : misokatra eto amintsika ny AFG Bank

Kihon-dalana vaovao eo amin’ny tontolo ara-bola ny fisokafan’ny AFG Bank eto Madagasikara. Noto­kanana tamin’ny fomba ofi­sialy omaly ity banky vaovao ity izay etsy amin’ny Immeuble Gateway Ankorondrano rantsa-mangaikan’ny vondrona Atlantic Group. Tonga nano­trona izany ny minisitry ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasi­mbelo, ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara, Andrianarivelo Aivo Handria­tiana, ary ny filoha mpanorina ny Atlantic Group, Dossongui Koné. Hitondra rivo-baovao eo amin’ny tontolo ara-bola ny AFG Bank amin’ireo vokatra vaovao moderina omeny. Vita ao anatin’ny 30 segondra ny fanokafana ny kaonty, hisitraka ny Carte bancaire eo no ho eo ihany koa ny mpanjifa tonga manokatra kaonty ao aminy. Ankoatra izay, hiavaka ny tolotra ataon’ny AFG Bank izay hampivoatra ny toeka­ren’ny mponina. Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola fa manodidina ny 5% ny tahan’ny fampiasan’ ny Malagasy banky eto Mada­ga­si­kara. Notohizany fa mbola ny 18% ny tokantrano eto amin­tsika no manana kaonty amin’ ny banky, ambany raha mitaha amin’ireo firenena aty Afrika izay efa tafakatra hatrany amin’ ny 43%.

Henintsoa H.

Partager sur: