Craam Ankatso: maro ireo atrikasa ho hita eny an-toerana

Tanterahina anio, eny amin’ ny ADMC Craam Ankatso, ny atrikasa Slam Poezia, iarahana amin’i Tagman Namgat. Hetsika tafiditra ao anatin’ny «Build a healthy lifestyle», karakarain’ny fikambanana Alfa Madagascar. Hetsika ahitana atrikasa maro samihafa amin’ny zava-kanto sy fanatanjahantena isan-kazarany. Tanjona ao anatin’izany ny fampiroboroboana sy fampivelarana ilay taranja.
Anjaran’ny mpankafy Slam poezia indray no mianoka ny tolotra avy amin’ny Alfa Ma­dagascar. Tagman Namgat, izay anisan’ny andrarezina sy manana ny maha izy azy eo amin’ny Slam no hitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefa mandritra izany. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fifaninanana misokatra ho an’ny rehetra, indrindra ireo nandray anjara tamin’ny atrikasa. Hi­tohy amin’ny fiarahana amin’ ny mpitendry zavamaneno samihafa ny hetsika ny tapany hariva. Ny gitara no ho hita mandritra izany ary i Alidi Patrick sy Sesely Rajeriarison, izay samy mpitendry gitara no hitondra ny traikefa sy fa­haiza-manaony amin’izany. Natao izany ho fampiharan’izy ireo ny nampitaina taminy.
Raha tsiahivina, efa nisy ny atrikasa mahakasika ny fanaovana sary tanana, niarahana tamin’i miSim, omaly, teny amin’ny Craam Ankatso.

Lin

Partager sur: