Distrikan’Andilamena : dahalo mpaka an-keriny maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny zandary i Gadoko, dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny sy fanafihana mitam-piadiana ao Bemaitso, fokontany Amba­tolampy, distrika Andilamena, ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy. Nokarohina hatry ny ela, naharay loharanom-baovao ny zandary miasa ao an-toerana fa mi­haodihaody tsy lavitra ny distrika io dahalo io sy ny mpiara-manao asa ratsy aminy. Nikasa hanao fanafihana tao amin’ny fokontany Ambato­lampy indray i Gadoko sy ny namany. Nihatrana anefa ny zandary ka nifanehitra tamin’ireo dahalo. Raikitra ny sakoroka. Maty nandritra ny fanenjehana azy ny lehiben’ny mpaka an-keriny. Nitsoaka ny namany. Marihina, efa mpanao fanafihana mitam-piadiana any amin’ny distrikan’Andi­lamena, Amparafaravola, ha­trany Mandritsara ity dahalo lavo ity. Mitohy ny fikarohan’ny zandary ao Andilamena ny mpiray tendro aminy. Ankoa­tra io, dahalo mpaka an-keriny roa koa maty voatifitry ny zandary tao amin’ny kijanan’i Satoto, fokontany Ambolosy, kaominina Brieville, distrika Tsaratanàna, ny alin’ny 18 jona teo. Naka takalonaina ireo dahalo ireo ka naveriny ireo lasibatra rehefa azo ny takalony, ny 17 mey lasa teo. Nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana ka izao lavo izao ny roa lahy tamin’ireo tompon’antoka.

Tsiferana R.

Partager sur: