FANTINA sy FINTINA

Miisa sivy ireo sekretera jeneralin’ny prefektiora notendrena tamin’ny filankevitry ny minisitra natao teny Iavoloha, afakomaly. Anisan’izany ny any Miarinarivo, Antsirabe, Toamasina. Ny any Ambaton­drazaka, Fianarantsoa, Ambositra. Teo koa ny fanendrena ny sekretera jeneralin’ny prefektioran’i Toliara sy Mananjary.

Mitaky hatrany ny hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena ireo eo anivon’ny Antenimieran’ny raiamandreny foko. Nambaran’izy ireo fa tsy vahaolana ny fifidianana rehetra natao teto amin’ny firenena. « Tsy niainga hatrany ifotony izany ka fotoana izao hananganana ny firenena malagasy », hoy izy ireo, tamin’ity herinandro ity.

Nanao fanambaram-pananana teny amin’ny Bianco Amhohibao ireo mpiasa ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria, ny alarobia teo. Nambaran’izy ireo fa dingana iray sy finiavana hijoro anatin’ny mangarahara ary ny ady amin’ny kolikoly izany fanambaram-pananana izany. Ahitana sekretera jeneraly, tale jeneraly sy talem-paritra izy ireo.

Nametra-panontaniana i Doudou na Ratolo­janahary Maharavo hoe « Inona ary no atao? »  ma­noloana izao raharaham-pirenena izao. Nohitsiny fa miverina any amin’ny fanjanahantany isika izao ary miverina ho andevo. « Tena mampiasa ny fahefany ny le­hibe isan’ambaratongany… », hoy izy.

Partager sur: