« Fetin’ny mozika »: sehatra ho an’ny mpanakanto vao misandratra

Anisan’ireo firenena mankalaza ny « Fetin’ny mozika » isaky ny 21 jona ihany koa i Madagasikara. Natao ho sehatra hiakaran’ireo talenta vao, hanomezana ihany koa mozika vaovao ho an’ny mpankafy.

21 jona, «Fetin’ny mozika». Rivotra nitsoka maneran-tany izy ity, izay niainga tany France, ny taona 1982. Raha toa ka somary nangingina ny nanombohany teto Mada­gasikara, efa tafapetraka kosa izany amin’ izao fotoana. Saika ahitana fankalazana ny «Fetin’ny mozika» avokoa ny faritra anio. Hita taratra ihany koa fa niverina tamin’ny antom-pisiany voalohany ny hetsika.

Natao indrindra hanomezana sehatra ireo mpanakanto vao misandratra ny «Fetin’ny mozika». Seho maimaimpoana, izay hanomezana mozika vaovao, ho an’ny besinimaro. Misy ihany ny fampiakarana mpanakanto malaza, saingy natao mba hisintomana ny mpijery sy hizara ny traikefany ihany izany.

Mazava loatra fa ireo ivontoerana ara-kolontsaina vahiny, indrindra ireo tantanin’ny frantsay, toy ny Institut Fran­çais de Madagascar, ny maso­ivohon’ny Alliance Fran­çaises rehetra, manerana ny Nosy no lohalaharana amin’ny fikarakarana ny hetsika. Efa mpanome sehatra ny mozika vaovao sy ny mpanakanto an-dalana mikaroka ny lalany rahateo izy ireny. Nanaraka taty aoriana ireo ivontoerana hafa, ka nanampy ny lazan’ny «Fetin’ny mozika».

Hiavaka kokoa noho ny hatramin’izay ny an’ny IFM amin’ity satria hivoaka ivelany izany. Nisafidy ny Zone Zital Ankoron­drano ny ivontoerana hanamarihina ny «Fetin’ny mozika». Hahemotra rahampitso 22 jona ihany koa izy io satria nampifanandrifiana amin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny IFM. Mpanakanto mpitsoka mozika maherin’ny 30 no hiaraka amin-dry Weaver Trio, Anjara Rakotozafiarison ary Tonny Toufa Loux mandritra izany. Tsy toy ny mahazatra anefa satria hira malaza maneran-tany avokoa no ho­lalaovin’izy ireo.

Toy ny isan-taona, mam­piditra ny fankalazana ny «Fetin’ny Fahaleovantena» ny «Fetin’ny mozika». Maromaro ireo Podium nanomboka oma­ly ka hatramin’ny 25 jona. Ny tsy hitoviany, na samy maimaimpoana aza, saika ireo mpanakanto efa malaza avokoa no mandray anjara amin’ ny seho amin’izao fotoana izao. Taloha anefa tena sehatra voalohany ho an’ireo mpanakanto mihitsy izy ireny, nahafahany nametraka ny anarany tsikelikely.

Zo ny Aina

Partager sur: