Afaka andro vitsy, hiatrika fifaninanana goavana indray ireo Malagasy mpilalao Motocross. Hotontosaina any Ilakaka, ny alahady 23 jona 2024 izao, ny dingana fahafiton’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Grand prix d’Ilakaka MX des saphirs”. Hafana ny lalao amin’io, indrindra ho an’ny sokajy “MX1”, misy an-dry Claudio Tida sy Mathias Plantive. Mpilalao manana isa tsara indrindra hatramin’ny nanombohan’ny fifaninanana i Claudio sy Mathias. Samy hiezaka izy mirahalahy ireto ny haka isa ambony hahafahana mahazo ny laharana voalohany any amin’ny lalao farany.
Tsiahivina fa nandritra ny dingana fahenina ny fifaninanana, izay natao ny 19 mey lasa teo, tany Manakara, i Claudio Tida no laharana voalohany. Teo amin’ny faharoa kosa i Mathias Plantive ary fahatelo i Preve Marco. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fifanintsanana sokajy hafa. Anisan’izany ny sokajy zokiny “Vétérans 1”, sy ny Vétérans 2, zandriny, 85 cc, 65 cc, lahy sy vavy.
F.R