Anisan’ny nivoitra nandritra ny kabarin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny amin’ny hetsika ITM-IHM, ny hananganana hotely lehibe kintana 5 miisa 15. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fizahantany izany.
Nisantatra ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, ITM andiany faha-10, sy ny asa tanana IHM, andiany voalohany, eny amin’ ny CCI Ivato, omaly, ny filoha Rajoelina Andry. Firenena nasaina manokana i Côte d’Ivoire. Lohahevitra ny hoe « ny fahaizana mandeha an-tany hafa ». Nambaran’ny filoha Rajoelina fa fahatelo amin’ny fampidirana vola vahiny ny sehatry ny fizahantany. Eto amintsika ny 5% ny zavamananaina maneran-tany. Eo koa ny kolontsaina marolafy mampiavaka ny isam-paritra. Sehatra mampidi-bola vahiny fahatelo ny fizahantany. Anisan’ ny paikady hampiroboroboana azy ny hananganana hotely lehibe manana sokajy kintana 5, miisa 15 eto amintsika. Hisokatra amin’ny 3 septambra ho avy izao ny zotra ana habakabaka mampitohy an’i Dubaï (Emirats Arabe-Unis) sy Antananarivo. Maro ny famandrihan’ ny mpanjifa te ho aty Madagasikara, fa olana ny tsy fahampian’ny zotra anatiny.
Niteraka 500 tapitrisa euros
Ho an’ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany (ONTM), Ranaivoarimanana Ionjaniaina, « manana ny anjara birikiny amin’ny fitomboana ara-toekarena ny fizahantany. Niteraka vola maherin’ny 500 tapitrisa euros ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara, tamin’ny taona 2023 ». Mampiavaka an’ity hetsika andiany 2024 ity ny firenena ivoariana, amin’ny fihaonana mivantana B2B. Notsorin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny fialamboly ivoariana, Siandou Fofana, fa mila mampitovy feo ny firenena afrikanina. Manodidina ny 50 ny mpandraharaha ivoariana manatrika ity hetsika ity.
Nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Foibem-pirenena ho an’ny taozavatra malagasy (Cenam), Raminoharijaona Tojo, fa « dingana vaovao ity hetsika ITM-IHM ity, hampandroso ny taozavatra malagasy ». Miisa 14 ny seha-piharian’ny asa tanana eny amin’ny IHM, ahitana sokajin’asa 164.
Njaka Andriantefiarinesy