Jono : tafakatra 44% ny vola azo tamin’ny UE

«Nitombo 44% ny vola niditra tamin’ ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny jono niarahana amin’ny Vondrona eoropeanina (UE)», hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Pau­bert. Mangarahara tanteraka ny asa sy ny vola niditra tamin’ ity sehatra ity, hoy hatrany ny fanazavany. Notohizany fa fifanaraham-piaraha-miasa faha-11 niarahana tamin’ny UE nahazoana vola hatrany amin’ ny 12 892 000 euros, izay ni­­farana ny 31 desambra 2019. Vita sonia ny volana mey 2022 kosa ny fiaraha-miasa vaovao izay efa mihatra tanteraka amin’izao fotoana izao. Anke­hi­triny efa tafiditra eto Mada­gasikara ihany koa ireo sambo 39 ampiasain’ny UE amin’ny fanjonoana raha 63 no nampiasana.

Malalaka

Mbola malalaka tanteraka ny jono lamatra eto amintsika. Manodidina ny 50 000 taonina ny lamatra mandalo eto Mada­gasikara ka ny 14 000 t no nanaovantsika fifanarahana tamin’ny Vondrona eoropea­nina. Ny 1 500t iarahana amin’ ny firenena japoney ary manodidina ny 5 000t itambarana amin’ireo firenena koreanina, espagnol, sns. Izany hoe, ma­nodidina ny 25 000 t ny fanjonoana lamatra eto amintsika. Mbola malalaka ho an’ny mpanjona malagasy ihany koa ny jono lamatra maherin’ny 25 000 t izay ilana teknika avo lenta. « Tsy hita maso sady mandeha amin’ny hafainganam-pandeha 40km/ora ny lamatra ka ilana fampiasana fitaovana toy ny Sonar, mba hahitana azy saingy tsy mbola manana fahafahana hampiasa izany isika », hoy hatrany ny minisitra. Notsindriny fa any amin’ny 36 km miala ny sisin-dranomasina rahateo ny ahitana ireo karazana trondro ireo.

Henintsoa Hani

Partager sur: