Hotanterahina anio, any Allemagne, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Euro 2024”, ho an’ny vondrona D. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny rehetra ny lalao ihaonan’i France sy i Pays Bas, izay hatao ao amin’ny kianja Red bull Arena, amin’ny 10 ora alina (ora eto Madagasikara).
Mbola manala vela ny ekipa holandais, Oranje, satria lavon’ny Les Bleus, frantsay, tamin’ny isa 2 no ho 1 izy ireo ny volana oktobra lasa teo. Tsara ny mampahafantatra fa samy manana isa telo avokoa ireto firenena roa ireto, ka tafita any amin’ny dingana manaraka izay mivoaka mpandresy. Ankoatra izay, hiady ny isa telo kosa i Pologne sy Autriche, ao amin’ny kianja Olympia stadium Allemagne.
Mety hiakatra kianja i Mbappé
Miteraka resabe ny momban’i Kylian Mbappé, kapitenin’ny les Bleus France, amin’izao fotoana izao. Araka ny fikarohana natao, mety hiakatra kianja ihany ny tenany raha ny fanambarana nataony tao anaty tambajotran-tserasera. “Tsy misy fandresena azo raha tsy manao firisihana”, hoy i Mbappé, ny alarobia lasa teo. Tsiahivina fa tapaka ny tetezan’orony nandritra ny fihaonan’i Autriche sy i France, teo amin’ny andro voalohany. Tsara ny mampahatsiahy fa tanjona ho an’i Mbappé sy ireo namany ny haka ny amboaran’ny “Euro 2024”.
Fitia Randria