“Miantso hatrany ny HCC ny Fikambanana mba hamoaka ny voka-pifidianana an-kalalahana, araka ny tena marina sy ny lalàna”, hoy ny fanambaran’ny KMF/Cnoe novakin’ny filoha nasionaliny, i Namearison Robert, teny Antanimena, omaly, am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy.
Aoka ireo tsy miankina mba hanaja ny safidin’ny olom-pirenena nifidy azy, ka tsy hiandany amin’ny vondrona politika fa famitahana an’ireo nifidy azy ireo izany. Aoka hipetraka amin’ny safidy nifidianan’ny olom-pirenena azy izy ireo. Takin’ny KMF/Cnoe ny fanasaziana ireo voarohirohy amin’ny raharaham-pifidianana: raha mamono vato, ohatra, ny HCC, tokony hosaziana ny olona nahatonga an’izany fa lasa tsy voahaja ny safidim-bahoaka. Eo koa ny fanajana ny safidim-bahoaka, ny fanatsarana ny rafi-pifidianana…
Fotoana izao hanatsarana ny rafi-pifidianana mba hanamafisana ny fahefan’ny olom-pirenena, araka ny tolo-kevitry ny KMF/Cnoe. Tsy ho tanteraka izany raha tsy hahitsy ny Lalàmpanorenana amin’ny And. 3, 5, 24, 46, 55, 70, 72, 114, Toko II manontolo, 161, 162 sy 166 ary ny 168. Tazonina ny dingana tsara efa vita: ny And. 163, tsy azo anaovana fanitsiana ny faharetana sy ny isan’ny fe-potoana iasan’ny filohan’ny Repoblika. Atao ivon’ny Lalàmpanorenana ny olom-pirenena, ka izay no hitondra ny ivon’ny fanamafisana ny fahefan’ny olom-pirenena any amin’ny lalàna sy ny rafi-pifidianana: ny lalàna momba ny Ceni, ny HCC, ny lalam-pifidianana, ny lalàna mifehy ny antoko politika. Ekena fa tsy azo ivalozana ny didy avoakan’ny HCC, ohatra, fa tokony hisy ny mpitsara ny mpitsara afa-mijery ny mpitsara eo anivon’ny HCC.
R. Nd.