Lay Far – Maman Olga Rajoelina : « Hanova ny fanaovana politika izahay »

Manana depiote efatra voafidy vonjimaika ho eny amin’ny Antenimiera ny fikambanana Lay Far, Maman Olga Rajoelina. Nambaran’ny filoha mitarika izany, Rakotoniaina Mamitiana, omaly, tetsy 67 ha, fa manohana sy miara-dalàna amin’ny filohan’ny Repoblika izy ireo ka hametraka vondrona parlemantera eny Tsim­bazaza, hipetrahan’ny fitoniana eto amin’ny firenena. « Hanova ny fomba fanaovana politika sy ny foto-pisainana amin’izany izahay, manomboka izao mba tsy hiverina intsony ny tranga teo aloha teny amin’ny Antenimiera », hoy izy. Natsidiny fa hiaraka amin’ ireo depiote tsy miankina na mahaleo tena hahatongavana amin’ny fenitra takin’ny lalàna ahafahana mametraka ny vondrona parlemantera eny amin’ity Andrimpanjakana ity izy ireo. Efa mandeha ny fifampiresahana momba izany ahafahana manatanteraka ny fanovana lehibe tian’ireo de­piote Lay Far ireo hotanterahina eto amin’ny firenena, araka ny nambarany. « Tsy hijanona anaty efitrano fotsiny na ekena aza fa lapan’ny demokrasia ny eny Tsimbazaza fa miandrandra ny hiaingan’ny fampandrosoana eny ifotony manoloana ny fitantanana ny vola fanohanana isaky ny distrika « Ciad »… Manana hevitra mafonja momba izany izahay », hoy izy.
Etsy andaniny, nambarany sahady koa fa hanolotra ary hanana kandidà amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina hatao amin’ny volana novambra izao ny Lay Far.

Synèse R.

Partager sur: