Na safidy aza…: Tsy natao hanimbazimbana olona ny tantara fihaino

Marobe ny Radio eto Madagasikara. Anisan’ ny mahasarika mpihaino amin’ny fandaharana atolotr’izy ireny ny tantara. Mitombo isa manaraka izany ihany koa ny mpanoratra tantara fihaino amin’ny Radio… Mipoitra ny tranga hafahafa!

Manana ny fototra sy ny antony nananganana azy ny Radio rehetra. Fanontaniana tsy maintsy valiana ao anatin’ny taratasy fenoina rehefa mangataka alalana hanao izany rahateo io. Ao ny manana tanjona hivoy fivavahana na finoana. Ao ireo mikatsaka ny hivoy ny tontolon’ny toekarena fotsiny. Misy ny naorina ho fampandrosoana ny mponina sy ny faritra iorenany, sns. Fa ao ny maneho ny ankapo­ben’ny zava-misy. Safidy iny. Mbola safidin’ny mpihaino ihany koa ny manongilan-tsofina amin’ireo Radio heveriny fa mahaliana azy. Anisan’ny mahasarika fatratra ny mpihaino Radio ny fandefasana tantara indray mihaino na tantara mitohy. Maro loatra anefa ny lesoka amin’io. Tsy fahafinaretan’ny sofina ihany ny tantara fihaino fa hanana fiantraikany amin’izay maheno izany.
Tantara manimbazimba olona, toerana, fomba amam-panao…
Mpanoratra tsy mahay na tsy mahafantatra. Mpanoratra tsy nandalina, sns. Kanefa, manoratra ny zava-tsy hainy. Vokany, ny tena hevitry ny fanafody, tsy hainy fa sokajiana ho «ody ratsy» avokoa. Ny «Zanahary» fantatry ny Malagasy, navadik’ ilay mpanoratra ho finoanoam-poana. Toerana manana ny hasiny amin’ny Malagasy, ambara ho misy «zavatra hafahafa». Na, ny mifanohitra amin’ireo. Finoana nentim-bahiny, heno ao anaty tantara fihaino fa «ambony sy mahavita zavatra» noho ny «aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha», sns. Mety tsy mivantana, mety ankarihary ny fomba hanehoan’ilay mpanoratra izany.

Azo atao tsara ny…
Azon’ny mpanoratra atao tsara ny mandalina, mianatra, manatri-maso, sns, izay vao manoratra. Azon’ny mpandrindra na ny mpanatontosa atao tsara ny mifanakalo hevitra amin’ny mpanoratra mialoha ny hamoahana ilay tantara. Azon’ny ray aman-dreny atao tsara ny manazava ny mety na ny tsy mety ao anatin’ireny tantara ireny. Misintona anatra (na hevi-dehibe) avy eo. Azon’ny mpihaino Radio atao tsara ny tsy mihaino ny tantara ahitana tranga na hevitra mifanohitra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: