SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 17 hatramin’ny 20 jolay ho avy izao, any Gaborone Botswana, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Coupe Davis”, vondrona « V ». Fanambin’ny ekipam-pirenena malagasy ny hiakatra ao amin’ny sokajy “IV”. Razafimahatratra Dina no mpanazatra azy ireo.

Hotontosaina ny faran’ny herinandro ho avy izao, eny Ankatso, ny fanokafana ny taom-pilalaovana 2024, ho an’ny ligin’Analamanga, taranja Karateka. Miisa 400 ireo karatekas malagasy andrasana hifaninana. Tsara ny mampahafantatra fa Rakotomalala Pierrot no filohan’ny ligin’Analamanga.

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia lasa teo, teny amin’ny kianja Elgeco Plus By-pass, ny fampiofanana ireo Malagasy mpitsara 34 mianadahy. Fampianarana izay ho tarihin’i Ananh Jeanne Ayemou sy i An Yan Lim Kee Chong. Tsiahivina fa haharitra hatramin’ny alahady ity fiofanana ity.

Niakatra eo amin’ny laharana faha-104 i Madagasikara, araka ny filaharan’ny Fifa, nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Araka izany, izay vao nihetsika ny toerana misy azy ireo taorian’izay lalao rehetra nataony izay. Tsiahivina fa teo amin’ny faha-109 ny Barea teo aloha. I Mozambika kosa no laharana faha-103.

Partager sur: