Miha tongasaina ny tanora amin’izao fotoana ary mitsinjo ny hoaviny. Noho ny tahotra ny tsy fahafehezan-tena amin’ny filana ara-nofo ka mety hiteraka vohoka aloha loatra dia miroso aloha amin’ny fampiasana ny fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny tanora. Ao amin’ny fokontany Amontana, kaominina Vinaninony, distrikan’i Lalangina, mazoto manao fandrindram-piterahana ny ankizivavy sy ny renim-pianakaviana rehefa naharesy lahatra ny fanentanana nataon’ireo mpanentana ara-pahasalamana. 13 taona ny zandriny indrindra amin’ ireo tanora manatona ny toby, tonga nanao fanabeazana aizana. Noho ny fahatsapan-tena fa miaro amin’ny vohoka tsy irina ny fanaovana izany no manaharesy lahatra ny tanora. Ny ray aman-dreny mihitsy no mitondra ny zanany manatona ny tobin’ny mpanentana ara-pahasalamana mitondra ny zanany hanaraka izany.
Mila mihary sy tomombana tsara ny fivelomana vao miditra amin’ny fanambadiana sy ny tokantrano ka mila mitandrina. Mihena ny adintsaina sy ny tebiteby amin’ny vohoka tsy iriana fa indrindra afaka manelanelana ny zaza ateraka, araka izay mampety, hoy i Vao, anisan’ny mampiasa sahady ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana na dia vao 13 taona aza.
Fitetezan-trano, fivoriam-pokonolona no hanaovan-dRakalafara Florine, mpanentana ara-pahasalamana ao Amontana, ny fanentanana. Ny ankohonana miaraka amin’ ny vady aman-janany mihitsy no resena lahatra mba hisian’ ny fifanohanana amin’ny fanatanterahana sy fizotoana, indrindra ny fifampahatsiahivana amin’ny fanarahana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Resy lahatra ny ankamaroan’ny mponina sahaniny.
Fanabeazana aizana maharitra toy ny tsindrona no tena safidian’ny olona. Vitsy ireo mampiasa pilina ohanina isan’ andro noho ny mety hisian’ny fanadinoana ka mety hahasolafaka.
Tatiana A