Tohana ho an’ny PME : hiara-hiasa ny DGI sy ny FMFP

Vonona hanohana ny ny orinasa malagasy madinika sy salantsalany (PME) ny foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra (DGI) sy ny tahiry famatsiam-bola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa (FMFP) amin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia, ny alarobia teo, tetsy Ambodivona. Tantsoroka izay hiompana tanteraka amin’ny fampanarahana ny toetrandro ireo fahalalan’ny orinasa ny lalàna sy ny paika ara-ketra. Tafiditra ao anatin’izany ireo rafitra sy tolotra hanamorana ny fandoavana ireo adidy amin’ny fanambaran-ketra sy hetra sy ny fandoavana izany. Hoentanina ihany koa ireo orinasa hampihatra ireo fepetra ara-ketra mampahomby ny fitantanana. Ankoatra izay, hozaraina amin’izy ireo koa ny tombontsoa azony amin’ny fanarahan-dalàna. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanatsara ny fahaiza-mitantan’ny mpan­draharaha hampivoarana ny toekarem-pirenena. Ity hetsika ity izay entina hanatsara ny fifampitokisana eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.

Henintsoa H.

Partager sur: