Handray anjara amin’ny tolona ambony torapasika i Madagasikara. Hatao any Sénégal, ny 22- 23 jona ho avy izao. I Mioranirina Dina Tsilavina sy Randrianatoandro Faly Hery no solotena hiatrika izany.
Hotontosaina any Dakar, renivohitr’i Sénégal, ny 22 hatramin’ny 23 jona ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny taranja tolona ambony torapasika, “Beach Werstling”. Miisa 33 ireo firenena mandray anjara amin’izany. Anisan’izany i Madagasikara. Ho an’ny Malagasy, i Mioranirina Dina Tsilavina, vehivavy mpitolona (-60kg) sy Randrianatoandro Faly Hery Sedra, lehilahy (-70 kg), nosafidin’ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), tarihin-dRaveloson Mamitiana, no hiaro ny voninahitr’i Madagasikara.
Ny tale teknika nasionalin’ny Federasiona, Rakotondramasy Herizo, no hanazatra azy ireo eny an-toerana. Araka ny nambaran’ny lehiben’ny FML, omaly, ny ekipan’i Sénégal, mpampiantrano no heverina ho mafy amin’ny Malagasy, mandritra ity fifaninanana ity.
Tsara marihina fa natao hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity fifanintsanana hatao any Dakar ity. Ampahatsiahivina fa ity no lalao ambony torapasika andiany faharoa ho an’ny kaontinanta Afrikanina.
Fitia Randria
Tsy niantoka ny minisitera
Nilaza ny filohan’ny FML, omaly, fa tsy nitondra fanampiana ho an’ireo atleta ho any Dakar ireo ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Mampiahiahy ny rehetra ny fomba fiasan’ny MJS ka mipetraka ny fanontaniana hoe : “Rehefa taranja inona no miantoka ny minisitera?”. Tsiahivina fa nandritra ny andro ho an’ny medaly, izay natao teny Iavoloha, ny 2023 lasa teo, dia nilaza ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, fa iantohan’ny fanjakana ny Malagasy atleta rehetra miaro ny voninahi-pirenena.