TSELATRA

Naiditra eny amin’ny fonjan’Antanimora ilay lehilahy sy ny sakaizany rehefa nangalatra telefaonina an’ny mpanala fanadinana tao amin’ny sekoly St Michel Itaosy, omaly. Ankizy nanao fanadinana fanatanjahantena bakalorea no tompon’ny entana nangalarin’izy roa ireo, ny alatsinainy 17 jona teo.

Olona roa voasambotra hatreto momba ny fahitana ny fatin’ny mpitsara iray misahana andraikitra « Substitut général » ao Mahajanga. Hita faty ary nalevin’ ireo tsy matahotody teto Antananarivo izy rehefa nifampitadiavan’ny fianakaviany, nanomboka ny 5 jona lasa teo. Hanaraka ny voka-pifidianana no niakarany teto an-dRenivohitra, kinanjo, razana sisa no hita.

Dahalo roa lahy anisan’ireo nikasa hangalatra omby tao amin’ny fokontany Atsimondalana, kaominina Ankondromena, distrikan’i Miandrivazo, voatifitry ny mpanara-dia, ny alin’ny 19 jona teo. Nikiry handositra tao anatin’ny haizina anefa ireo olon-dratsy ireo. Tsy nisy naratra kosa ny avy amin’ireo fokonolona sy zandary nanara-dia.

Taolam-paty roa gony saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Ambatomitsangana, kaominina Iarinarivo, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly alina. Taolan-dava miisa 64 nafatratra tao anaty gony miisa roa ireo. Nitsoaka nandositra ny lehilahy roa lahy ahina ho nitondra ireo taolam-paty ireo.

Partager sur: