VAOVAO TAMBATRA

Mandroso ny fametrahana fivilianan-dalana any amin’ny tetezan’i Manambary, PK 173, amin’ny lalam-pirenena fahadimy, RN 5, faritra Sava. Any amin’ny lalam-pirenena mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar ity lalana ity, izay simban’ny rivodoza Gamane farany teo.

Manodidina ny 50 000 hatramin’ny 100 000 dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana anglisy ao anatin’ny fandaharanasa TEA. Hampiasana ny vola ny tetikasa ho an’ny famatsiana herinaratra ambanivo­hitra, hifantoka amin’ny fahasalamana.

Tetikasa hampivoarana ny sehatry ny fiompiana omby ny Agri-Mada. Ifantohan’ny tetikasa ny any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Tanjona ny hampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana omby, ny fanodinana ny vokatra, hanatsarana ny fari-piainan’ny mpiompy. Manohana ny tetikasa ny Banky iraisam-pirenena.

Hanomboka anio ka haharitra roa andro, ny hetsika “Zah@Geek 3.0”, izay atao eny amin’ny Orange Digital Center, Gara Soarano. Hetsika niomerika ara-toekarena izay hampivondrona ireo orinasa mahe­rin’ny 40 mpisehatra amin’ny haitao ara-kajy mirindra. Misy ny tolotrasa sy ny « Job recruting » ho an’ny tanora.

Partager sur: