Baolina kitra : hanampy mpilalao efatra ny Barea

Ankoatra ireo mpilalao efa ao anatin’ny ekipa Barea de Madagascar, hiezaka hitady mpilalao hafa indray ny Federasiona malagasy (FMF) sy ny mpanazatra. Fantatra fa hohatevenina mpilalao efatra ny ekipam-pirenena.

Nambaran’Andriamanam-pisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF) ta­min’ny mpanao gazety tetsy andrefan’Ambohijanahary, oma­ly, fa nahafa-po ny vokatra azon’ny Barea de Mada­gascar, natao tatsy Afrika Atsimo. Ankoatra izay, nohamafisiny fa tsy hionona amin’
ireo mpilalao efa misy ny Barea de Madagascar fa ha­nampy efatra indray. Hiaraka ny tenany sy ny Me Rôrô, mpanazatra, hijery izany. Vodilaharana sy lohalaharana izy ireo. Efa milamina ny vodilaharana havia, tamin’ny fahazoana an’i Sandro, na sarotra aza ny nandresena lahatra ny mpanazatrany.
Nankasitrahany manokana ny isa efatra azo nandritra iny andro fahatelo sy fahefatra amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2026” iny ka niakarana eo amin’ny laharana faha-104 maneran-tany amin’ny Fifa. Mbola mipetraka hatrany ny tanjona dia ny ha­hatafita amin’ny fiadiana amin’ ny ho tompondaka maneran-tany.
Nitondrany fanazavana ihany koa ny tsy fandraisana anjara tamin’ny Cosafa. Mbola tao anatin’ny fifidianana ny ho filoha hitantana ny rantsa-mangaikan’ny baolina kitra ny teto Madagasikara, ny volana oktobra lasa teo, ka mety tsy tafiditry ny mpitantana teo aloha tao anaty fandaharam-potoana io fifaninanana io, fa efa niresaka tamin’ny mpitantana ny Cosafa ny tenany ny amin’ny fandraisana anjara manaraka.
Nomarihiny fa efa misalotra ny fanamiana mitondra ny marika Umbro ny Barea ankehitriny ary hisy 3 000 ho avy amin’ny volana jolay, hamidy. Ny amin’ny kianjaben’i Ma­hamasina, ezahina ho vita mialoha ny handraisana ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2025” ny bozaka sy ireo pi­tsompitsony notakin’ny Fifa sy ny Caf.

Tompondaka

Partager sur: