« Concert de la paix »: hanehoana fiombonam-po sy firaisan-tsaina

Atao etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina, ny alahady izao, ny «Concert de la paix». Fampisehoana ara-pilazan­tsara hafanain’ireo mpanakanto kalaza maro avy eto an-toerana. Anisan’izany ry Rija Rasolondraibe, Joseph d’AF… Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fety fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovan­tenan’i Madagasikara izany. “Fotoana hanehoana fiombonam-po sy fiombonan-tsaina izy io”, hoy ny komity mpikarakara nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Maha­masina. Fotoana hiarahana manandratra vavaka sy fiderana an’Andriamanitra, iarahana amin’ny vahoaka malagasy ihany koa. Hampiavaka ny fampisehoana ny fahatongavan’ny mpanakanto Maggie Blanchard sy Jean Jean avy any Canada. Haneho ny talentany sy hampiaram-peo amin’ireo mpanakanto ma­lagasy izy ireo, mandritra io fotoana io. “Madagasikara mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”, io ny lohahevitra entina mankalaza ny 26 jona.
Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny fampisehoana. Hisokatra amin’ny 8 ora sy sasany maraina ny vavahady. Hisy ny fanentanana sy dihy eo anelanelan’ny fotoana. Tsy azo atao ny mitondra zava-maranitra sy zava-pisotro mahamamo eny an-toerana amin’io fotoana io. Marihina fa misy ny fisavana ireo olona tonga hanatrika ny seho eny an-toerana. Ankoatra izay, hitandro ny filaminana eny an-toerana ny avy amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimaria.

Mino

Partager sur: