Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny tetikasa “Croissance agricole et sécurisation foncière (Casef)” an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT). Mamatsy vola azy io ny Banky iraisam-pirenena, naharitra fito taona, tamina faritra 16. «Tanjona ny hampiroboroboana ny seha-piharian’ny fambolen’ny tantsaha», hoy ny mpandrindra nasionalin’ny tetikasa Casef, Soja Sesy. Manodidina ny 708 000 ny tokantranona tantsaha, nisitraka mivantana ny tetikasa. Afaka miditra eo amin’ny tsena ny 60% ny mpamokatra. Nilaza ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona Suzelin, fa, “nokendrena manokana ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpamokatra sy ireo mpisehatra ao anatiny, toy ny sehatra tsy miankina”.
Ankoatra ireo, miisa 403 ny Birao ifoton’ny fananan-tany (BIF) napetraka sy efa miasa amina faritra 14 manerana ny Nosy. Mahatratra
1 390 000 isa ny karatany voazara. “Tao anatin’ny Casef no namokarana karatany manaraka ny haitao ara-kajy mirindra (digitalisation)”, hoy ny mpandrindra nasionaly lefitry ny Casef, Rabary Niry Sariaka. Maherin’ny 70 km ny lalana sy tetezana 3 no nohavaozina tamina faritra 8. Teo koa ny fanatsarana ny fihariana ronono tany Vakinankaratra.
Henintsoa Hani