Fandaharanasa USAID Access : nifarana ny tetikasa amin’ ny anivon-tany

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharanasa ara-pahasalamana Accessible Continun of Care and Essential Services (Access), izay vatsian’ny USAID vola ary tanterahin’ny MSH. Anisan’ny ifantohan’ny tetikasa ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza ka tafiditra amin’izany ny fanentanana amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Natao tany Fianaran­tsoa ny hetsika famaranana ho an’ny faritra 3: Vakinan­karatra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony.
Nanao ny tombana ny ta­len’ny fandaharanasa Access, Dr Raharison Serge ka nilaza fa niakatra ny tahan’ny olona nisitraka sy nazoto nanao fandrindrana ny fiainam-pianakaviana tao anatin’ny 6 taona tamin’ireo faritra 3 ireo. Raha ny taha tany Vakinankaratra dia efa tafakatra 38% ireo mampiasa ny fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, raha 25 % izany teo aloha. Any amin’ny faritra Amoron’i Mania kosa dia efa 35 % ny taha. Nisongadina ny vokatra ho an’ny faritra Matsiatra Am­bony satria tafakatra 54% iza­ny raha 24% tany am-piandohana.
Raha ny salanisa ny taona 2023, mahatratra 46% ny tahan’ny fampiasana fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana manerana ireo faritra 14 iasany. 26% izany ny taona 2019 niaingan’ny fandaharanasa.
Anisan’ny ilofosan’ny fitondram-panjakana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny fanapariahana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana. Nanaporofo izany ny filankevitry ny minisitra farany teo, izay milaza ny vina dia ny hisitrahan’ny Malagasy miisa 2 800 000 ny fandrindram-piterahana hatramin’ny taona 2028.
Nanomboka amin’ireo mpanentana ara-pahasalamana any ifotony ny tohana ara-tekinika sy fanofanana nataon’ ny Access nanana traikefa. Teo koa ny famatsiana fitaovana. Toraka izany ny fampitaovana sy fanofanana teny amin’ny tobim-pahasalamana tamin’ireo toerana niasana ka nampazoto ny olona hanao fanabeazana aizana.
Maneho fahavononana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanohy ny asa izay nanaovana tantsoroka.

Tatiana A

Partager sur: