FANTINA sy FINTINA

Nohitrikitrihin’ny kaomisaria ambony momba ny zon’olombelona eo anivon’ny ONU ny tokony hanajana ny zo ahazoana mivory an-kalalahana. Tahaka izany koa ny fahafahana maneho hevitra. Niantso ny rehetra hamela malalaka ny HCC hiasa am-pitoniana sy am-pilaminana koa izy ireo amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana.
Nodimandry, omaly, ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Alliance Française, Raharinosy Monique. Anisan’ny naneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviany ny eo anivon’ny masoivoho Frantsay. Tsiahivina fa efa administratera teo anivon’ny Viseo koa ny tenany. Efa filoha mpanampy teo anivon’ny Akany fialofana Tangaina (Akafita) koa izy.
Nisitraka fanomezana avy amin’ny ben’ny Tanànan’i Talatamaty, Raharinoa sy Dominic ireo olona maherin’ny 700 eny an-toerana. Anisan’izany ireo marefo sy manana fahasembanana ary koa ireo zokiolona. Tafiditra amin’ny fiaraha-mifaly noho ny fetin’ny Asaramanitra izao hetsika izao.
Niantso ny hirosoana amin’ny diniky ny samy Malagasy ny eo anivon’ny RMDM, araka ny nambaran’izy ireo, tetsy Bel Air, afakomaly. Nambaran’izy ireo fa tompon’antoka tanteraka amin’izao mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao ny mpanao politika rehetra. “Aleo aloha isika hifampiresaka mba tsy hiitaran’izao tranga eto amin’ny firenena izao”, hoy izy ireo.

Partager sur: