Fihaonana iraisam-pirenena : nifampizara traikefa ireo mpamonjy aina

Nifarana omaly ny fihaonana iraisam-pirenena mom­ba ny mpitsabo, miandraikitra ny vonjy taitra, eto anivon’ny ranomasimbe Indianina (JFMUOI), andiany faha-12. Fihaonana nandritra ny roa andro, notanterahina tetsy amin’ny Motel Anosy. Hetsika nokarakarain’ny Association des médecins urgentistes de Madagascar (Amum). Nan­dray anjara, nandritra izany, ny mpitsabo miandraikitra ny vonjy taitra rehetra manerana ny Nosy sy avy amin’ny firenena miteny frantsay eto ani­von’ny ranomasimbe Indian­ina. Misy koa ny avy any France nanatrika ny fihaonana. “Fotoana ahafahana mifanakalo traikefa eo amin’ny mpiasa sy mpisehatra rehetra manerana ireo firenena ireo sy eo amin’io tontolon’ny asa io izany”, hoy ny minisitry ny Fahasalam-bahoaka, nandritra ny hetsika. Tanjona ny hanatsarana ny fandraisana an-tanana haingana ireo marary amin’ny alalan’ny tolotra ara-pahasalamana, rehefa misahana ny vonjy taitra izy ireo. Ao anatin’ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana haingana ireo marary eny anivon’ny hopitaly vitsivitsy ihany koa ny hetsika.
Ankoatra izay, misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny CHU La Réunion sy ny fikambanana Amum ary ny faculté de médecine eto Madagasikara.

Mino

Partager sur: