Fiovan’ny toetr’andro: namaritra ny tetikasany ny fitsinjaram-pahefana

Nisitraka fanohanana amin’ny famolavolana ny Drafitra hiatrehana ny toetr’andro “Climate prosperity plans – CPP” amin’ity taona ity i Madagasikara. Fiaraha-miasa amin’ny fikaonandohan’ireo firenena tena mahantra “Forum des pays les plus pauvres – CVF” sy ny “Secrétariat du vulnerable twenty – V20” izany. Natolotry ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tamin’ izany ny laharam-pahamehana hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Eo ny sehatry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fananantany, ary ny fanajariana ny tany an-tanàn-dehibe. Manampy izay ny tontolo ambanivohitra sy ny eny amorontsiraka.
Fampiasam-bola ho an’ireo firenena iharan’ny fiovan’ ny toetr’andro ny CCP. Mi­kendry ny fampitomboana ny vokatra ara-tsosialy sy toekarena ho an’ireo firenena miatrika fanamby vaovao. Mana­mora ny fidirana amin’ireo loharanom-bola mifandray amin’ny fampandrosoana ma­haritra eto amintsika ny fampiharana azy.
Etsy andaniny, natolotra ara-teknika tetsy Anosy, afakomaly, ny vina fampandrosoana ho an’ny 15 taona, momba ny fampiasana ny tany (Sac). Miainga amin’izany ny hakan’ny eny anivon’ny kaominina famaritana ny laharam-pahamehana. Fantatra amin’izany ny hatao amin’ilay tany ho fampandrosoana ny eny ifotony. “Ohatra, fambolena, fanorenana fotodrafitrasa… Lavitra ezaka ilay izy ka efa maherin’ny 40 ireo manana an’io Sac io”, hoy ny tale jeneralin’ny Fanajariana ny tany, Rabodomalala Miangaly. “Fitaovana ho an’ny kaominina ny Sac ary azony iarahana miasa amin’ireo sehatra tsy miankina”, araka ny namba­rany.

Synèse R.

Partager sur: