Hambom-po

 

Nahafinaritra ery ny nijery ny fifamoivoizan’ny « teleferika », omaly. Nahoraka izaitsizy teny amin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’ireo naka tsirony, nitsingevaheva teny ana habakabaka. Tena hoe raitra sy taratry ny fandrosoana tokoa. Nidanaka ny mpitazana avy ety ambany, dibo-kafaliana ny mpijery avy eny ambony! Variana Ramalagasy!
Andro iray, nampihetsika ny hambom-po, omaly. Namohazana ny fitiavana ity tanindrazana malalan’ny rehetra ity. Nampitsiry ny finiavana te hivoatra sy hiasa mafimafy kokoa mba hitovy amin’ny firenen-kafa. Azo atao ny manonofy sy mametraka drafitra ary mamadika izany ho asa. Santatra am-bavarano ny mahakasika ity fitaovam-pitaterana vao nosantarina, omaly, ity.
Maro ny lokaloka nataon’ny Filohan’ny Repoblika, nandritra ny fotoam-pitondrany voalohany. Maro ny zava-bita, izay nahafahan’ny vahoaka nigoaka izay anjara mba tokony ho azy. Mbola maro ny ho avy, eo an-dalana ny fanamboarana azy. Vao omaly, nilaza Rajoelina Andry, fa hisy hotely goavambe 15 hatsangana eto Madagasikara. Asa an’arivony, vola vahiny an-tapitrisany maro no santionan’ny vokatsoa azo avy amin’izany.
Mahavelombolo ny fandaharanasa sy ny fanirian’ny mpitondra. Tsy ho ambakan’ny hafa mihitsy ilay Madagasikara. Betsaka ny ezaka efa vita raha ny fotodara­fitrasa. Any amin’ilay sosialim-bahoaka no indrokely. Mahantra fadiranovana ny ankamaroan’ny mponina. Tsy mahagaga ny mahita ireo olona mitsipatsipaka eny amin’ny arabe. Na mosary, na lasa adala sy hondrakondrafana izy ireny.
Mahonena ny mahita ny fitomboan’ny mandry an-dalana sy ny mpangataka etsy sy eroa. Tsy an-tanàn-dehibe ihany fa hatrany amin’ny faritra no ahitana izany. Mipetraka ny fanontaniana amin’ny fiavian’ireny mpangataka vaovao ireny. Manginy fotsiny itony zaza tsy ampy taona efa manendaka sy manolana ary mandratra olona mihitsy.

r.r

Partager sur: