Hip – hop : 50 taona i Slam Jah, anisan’ireo mpanao Rap zokiny

Lava ny lalana nodiavina ho an’i Slam Jah. Tsy mbola nijanona hatreo anefa fa manohy hatrany ny mozika anatin’ny tontolon’ny Hip-hop ity mpanakanto ity.

«Savasavaiko ny lalany dia hataoko ma­n­drakizay», hoy i Slam Jah izay. Anarana tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny Hip-hop eto Madaga­sikara, satria anisan’ireo nitondra voalohany ny rivotry ny kolontsainan’ny lalana teto izy. Feno 50 taona ny 19 jona lasa teo ity mpanakanto ity. Efa nanomboka ny fiandohan’ ny taona no nanambarany fa ho ankalazaina an-tsehatra izany. Tonga ny fotoana: ny alahady 28 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Sehatra Mai­tso Analamahitsy.
Hifanotrona amin’ity « Slam Jah Birthday » ity ireo namany niara-nilomano hatramin’izao tao anatin’ny tontolon’ny Hip-hop: Takodah sy Ngah B, Big Tovolah, Buddah El Taga, Psykôpasy, Gunman, Roo­tsi­kalo, Mista & Boska, Big Jimda, MC Tiganagar, Slim Jim Jah, Degga Mtse, Mito, Doublenn, Be Good’n, Ice To, Imtc, Sekoltora, Doubl’ Enn, sns.
Rahovarimanga Fanja­nia­sy, nisafidy ny solon’anarana Slam Jah.
Lehibe teny amin’ny tanànan’ Andraisoro, izay toerana nalaza tamin’ny « sôva » hatramin’izay. Nanintona an’i Slam Jah ireny zavakanton’ny lalana ireny, ka nirona tany amin’ny dihy an-tanàn-dehibe izy, tamin’ny fiandohan’ny fahatanorany. WB 34 Posse ny anaran’ny tarika mpandihy Hip-hop natsangany niaraka tamin’i Soul Billy.Taoriana kelin’izay ny taona 1993, anisan’ireo nandrafitra ny tarika Shabba Boys i Slam Jah, ka nandresy tamin’ny fifaninanana dihy nandritra ny « Festival Fototraina ».
Efa nitodika tany amin’ny hira rap gasy ry Da Hopp, fa tsy lavitra teo ihany koa ny nanombohan-dry Slam Jah. Niroso tamin’ny hira koa mantsy ny WB 34 Posse. Ny taona 1997 anefa no tena nanombohana nahafantarana azy, re­hefa namorona ny «Tsy main­tsy mivoavoa» sy « Ma­nal’ azy ».

Zo ny Aina

Partager sur: