100 tapitrisa dolara isan-taona ny fahavoazana ateraky ny rivodoza sy ny loza voajanahary eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe ao amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tsapa ny ezaka ataon’i Madagasikara tao anatin’ny 10 taona, vokatry ny fananana politika nasionaly hitantanana ny loza sy ny tandindon-doza.
Nijanona ho antonony, amin’ny ankapobeny, ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra teto Antananarivo, nandritra ity herinandro ity. Ao anatin’ny telo andro hoavy dia vinavinaina hijanona ho antonony hatrany ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra. Hiverina ao anatin’ny volon’andro ririnina ny toetry ny andro mankany amin’ny faran’ny herinandro.
Efa nivaly ny fanadinam-panjakana CEPE 2024 ho an’ny Cisco maromaro: Manjakandriana, Iakora, Andramasina. Azo fantarina amin’ny pejy facebook an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny valim-panadinana ary misy ny dingana arahina ao anatiny.