Loza tao an-tsekoly: Ankizy 8 taona maty nianjera

Namoy ny ainy, tra-doza tany an-tsekoly ny ankizivavy valo taona, teny Ambohibao.
Nianjera avy eny amin’ny rihana faharoa izy, hoy ny zandary nanontaniana.

Nikasa hamonjy fodiana taorian’ny firavana, nian­jera tampoka teny amin’ny rihana faharoa tao amin’ny trano fianarany, ny ankizivavy iray tetsy Am­bohibao, afakomaly. Nifamo­njena teny amin’ny mpitsabo, tsy tana ny ainy. Naratra mafy izy ka niezaka nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana ny tomponandraikitra eo anivon’ilay sekoly tsy miankina. Nandriaka teo amin’ny faritra nianjerany ny ra. Nanao izay ho afany nihazonana ny ainy ny mpitsabo eo anivon’ny hopitaly HJRA saingy maty ilay ankizy.
Toy ny vara-datsaka ho an’ny ray aman-drenin’ilay zaza ny faharenesany ny voina nahazo ilay ankizivavy. Nanatona ny manampahefana avy hatrany ny vadin’ny ta­len’ny sekoly nitrangan’ny loza. Nanazava ny zava-nitranga izy. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana ny zan­dary. Mponina ao Man­drosoa Ivato io ankizy namoy ny ainy io. Miroso amin’ny famotorana momba ity raharaha ity ny mpitandro filaminana.
Hatreto, tsy mbola fantatra mazava ny antony nahalatsaka ilay zaza, afa-tsy ny filazana fa loza tsy nahy na tampoka izany. Manoloana ny voina an-tsekoly tahaka izao, tsy maintsy mijery akaiky ny zava-misy ny eny anivon’ny fanaraha-mason’ny sekoly, ny mpiantoka ny mpianatra raha nahaloa ny latsakemboka ho aroloza an-tsekoly izy ireo.
Tsy maintsy manao fanadihadiana lalina koa ny mpitandro filaminana mba hamaritana ny andraikitry ny tsirairay manoloana ny voina nahafaty olona tahaka izao.

Tsiferana R.

Partager sur: