Hotanterahina eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso, ny andro fahatelon’ny fifaninanana “XXL Top 12”, taranja rugby. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro eny an-toerana ny fifanandrinan’ny Uscar sy ny Tam Anosibe. Mbola manala vela ny ekipan’Anosibe amin’ity fihaonana ity, satria lavon’ny Uscar tamin’ny isa 25 no ho 22 izy ireo nandritra ny manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taona 2023.
Ankoatra izay, hifanandrina amin’ny TFMA Ankasina na ny boaikely manohitra ny mpilalaon’ny USA Ankadifotsy. Tsiahivina fa mbola manatanteraka valin’ady amin-dry zareo Ankadifotsy ny TFMA, ny mpilalaon’ny USA no nanintsana ny TFMA, teo amin’ny ampahefa-dalan’ny “Coupe de Madagascar 2023”.
Hifandona ny vehivavin’ny FTM sy ny FTFA
Ankoatra ny fifanintsanana ho an’ny lehilahy, misy ihany koa ny fifaninanana nasionaly ho an’ny vehivavy. Araka ny vaovao navoakan’ny Malagasy Rugby, hatao rahampitso, eny Andohatapenaka, Stade Annexe Makis, ny fihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny FTFA Antohomadinika. Mialoha ity lalao ity, hifanandrina amin’ny 3FB ny ekipan’ny Asut.
Fitia Randria
Fandaharan-dalao:
Vehivavy:
Kianja Makis:
9 ora: SCB sy ny RCTS
Makis Annexe:
9 ora: 3FB sy ny Asut
11 ora: FTM sy ny FTFA
Lehilahy:
Kianja Makis:
11 ora: Cosfa sy ny FTBA
1 ora: TFMA sy ny USA
3 ora: Tam sy ny Uscar