Sombim-baovao

Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Handball, taona 2023. Tsiahivina fa izay mivoaka mpandresy amin’ity no misolo tena an’i Madagasikara, mandritra ny CCOI hatao eto Antananarivo, ny volana jolay ho avy izao.

Hotontosaina ny 29-30 jona ho avy izao ny fifaninanana “RunBall 2024”, taranja basikety lalaovin’
olona telo, 3×3. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara, sokajy lahy sy vavy. Tsiahivina fa hifanintsana eo amin’ny lehilahy ny ekipam-pirenena frantsay, izay hanao ny lalao Olympika ny volana jolay ho avy izao.

Hatao anio, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Euro 2024” taranja baolina kitra, ho an’ny vondrona “F”. Hifanandrina amin’izany i Portugal sy i Turquie, lalao izay hatao any Iduna Park. Tsara marihina fa samy manana isa telo avokoa ireto ekipam-pirenena roa ireto.

Notanterahina nanomboka omaly, tamin’ny
3 ora maraina, ora aty Madagasikara, ny fifaninanana “Copa America”, taranja baolina kitra. Lavon’i Argentine, tompondaka farany, tamin’ny isa 2 no ho 0, i Canada. Mitarika ao amin’ny vondrona A ny ekipa nasionalin-dry Lionel Messi.

Partager sur: