TARATRY ny KANTO

Efa tonga eto i Arjun. Hanatontosa fampisehoana mandritra ilay hetsika « Bollywood Glam Night », izay hotanterahina eny amin’ny Novotel Ivandry, anio alina, ity mpanakanto indianina malaza ity. Efa eto ihany koa i DJ Harpz, ary andrasana anio ny Krumania Dance Group, izay tarika mpanao soradihy avy atsy Maorisy, hizara ny kantony eto. Efa lany avokoa ny tapakilan’ity hetsika ity.

Nanomboka omaly ary hitohy anio sy rahampitso, ny « Star Tour » ho an’Antananarivo. Nisantatra ny andiam-pampisehoana, omaly, ry Agrad sy Skaiz sy ry Dalvis. Hanohy izany anio kosa ny tarika AmbondronA sy Ckycky. Hamarana ny fampisehoana goavana, ny alahady, ry Princio, Ljo ary Ceasar. Toy ny mahazatra hisy ny fanentanana hataon-dry Bahrone, Eric Fou Hehy ary Teg.

Hisy ny fampisehoana iarahana amin’
i Epistolier sy Eklyps, anio tolakandro, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Ifampizara sehatra indray, araka izany, ireto mpanakanto, anisan’ny manana ny maha izy azy, eo amin’ny Rap Gasy ireto. Vonona izy ireo hanome fahafaham-po ny mpijery ary ny hira nahafantarana azy ireo hatramin’izao no ho re ao.

Maro samihafa ireo hetsika entina mankalaza ny fetin’ny mozika. Tafiditra ao anatin’izany ny “Moment Musical”, atao eny amin’ny IKM Antsahavola, rahampitso manomboka amin’ny 4 ora. Hahazo tombony manokana ireo mpankafy hira milamindamina ao anatin’ity hetsika ity. Anisan’ny handray anjara amin’izany ny Aretha sy ny Koely Miangaly.

Partager sur: