VAOVAO TAMBATRA

0,01% ny tahan’ny fanondrana entana maneran-tany nataon’i Madagasikara tamin’ny taona 2022. Laharana faha-133 no misy ny firenena raha toa ka eo amin’ny faha-129 isika eo amin’ny raharaha ara-barotra. Mitazona ny laharana voalohany sy faharoa amin’ny fanondranana maneran-tany kosa i Sina sy Etazo­nia, amin’ny taha 14,42% sy 8,28%.

Matanjaka sady voalohany amin’ny famokarana cacao ny any amin’ny faritra Sava. Nahatratra 180 taonina ny vokatra azo tamin’ny taom-pambolena 2023-2024. Mavitrika koa any an-toerana amin’ny fambolen-kazo, ka niisa 5 000 isa ny zanakazo cacao novokarina. Tanjona ny hamokarana 10 000 zanakazo.

Tombanana ho 0,55% isan-taona ny fahasimban’ny rohivoahary eto Madagasikara. Misy ny tetikasa IREMA ataon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) hiarovana izany. Mirefy 4 tapitrisa ha ny tontolo voajanahary harenina hatramin’ny taona 2030, mahakasika faritra 5 (Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Diana, Sofia, Vatovavy).

Hentitra ny minisitera amin’ny tsy hisian’ny fanararaotana amin’ny vidin’entana tsy ara-drariny na entana efa simba amin’izao ankatoky ny fety izao. Samy tomponandraikitra avokoa na ny mpivarotra, ny mpandraharaha ara-barotra na ny mpanjifa. Tokony hitandrina ny rehetra amin’izao vanim-potoanan’ny fety izao.

Partager sur: