Nifarana omaly ny atrikasa momba ny zon’ny ankizy, tao amin’ny Carlton, Anosy. Nisy fizarana mari-pankasitrahana ho an’ny mpandray anjara.
Nofaranana omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny fivoriambe niarahan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny mpitsara rehetra eo amin’ny rafi-pitsarana ho an’ny ankizy eto Madagasikara «Tsy tokony ho famonjana avy hatrany no hampiharina amin’ireo ankizy tsy ampy taona miakatra fampanoavana fa tsara hafainganina ny raharaham-pitsarana mahakasika azy ireo”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety, teny an-toerana, omaly. “Tanjona ny hiarovana ny tombontsoa sy ny zon’ny zaza
amin’ny ankapobeny”, hoy hatrany izy. Nambarany fa miainga avy amin’ny tsirairay ny fanatsarana sy fanovana ny tontolon’ny fitsarana eto amin’ny Nosy. Entanina ihany koa ireo mpitsara zaza tsy ampy taona rehetra mba hanaraka izany. Tsoa-kevitra iraisan’ny mpitsara rehetra ny hampitoviana ny fampiharana ny lalàna manerana ny Nosy na ho an’ireo nanao heloka na ireo niharam-boina. Hamafisina ny fifandraisan’ireo mpitsara amin’ny akany fanabeazana. Eo koa ny fifandraisan’ny mpitsara amin’ireo mpikirakira ny antontan-taratasy mahakasika ny zaza tsy ampy taona.
22 mianadahy
Notolorana loka sy mari-pankasitrahana teny an-toerana ireo ankizy 22 mianadahy. Nahazo ny laharana telo voalohany, nandritra ny fifaninanana momba ny zon’ny ankizy izy ireo. Hetsika nokarakarain’ny minisiteran’ny Fitsarana, niaraha-niasa tamin’ny Unicef. Nandray sy nisitraka tamin’ny hetsika ireo ankizy eny anivon’ny Akany fanabeazana maro teto Antananarivo. Lohahevitra nankalazana izany ny hoe: “ny zontsika, ny hoavintsika”. “Tanjona ny hampitomboana ny fahatsiarovan-tena sy ny fisokafan-tsainan’ireo ankizy momba ny zo fototra ananany”, hoy hatrany ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nivelatra teo amin’ny fanaovana literatiora ny fifaninanana. Toy ny fanaovana tononkalo sy tantara foronina ary famoronana sary. Be mpifaninana indrindra, tamin’izany, ny fanaovana sary momba ny zo hianatra. Efa nahatratra 292 teo ho eo izany. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Iray volan’ny ankizy teto Antananarivo ihany koa ny hetsika.
Mino