Handball – “Mada sénior 2024”

Tompondaka ny THBC sy ny Asco Toliara

 

Nisalotra ny anarana maha tompondakan’i Madagasikara 2023 azy, eo amin’ny taranja handball, sokajy Sénior, ny THBC Analamanga, ho an’ny vehivavy, raha ny Asco Toliara kosa ny teo amin’ny lehilahy. 

Tontosa ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanam-pirenena 2023, taranja handball, sokajy Sénior. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy, ny THBC Analamanga, raha ny Asco Toliara ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Raha ny vokatra, resin’ny THBC teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 17 no ho 15, ny My-Sah Itasy. Afa-bela tamin’ity ny ekipan’Analamanga, izay resin’ireto mpifanandrina taminy ireto, tamin’ny taon-dasa. Niady hatramin’ny farany ny lalao. Nitarika an’isa hatrany anefa ny THBC, nahitana an-dry Aina, Lea, Jenny ary i Judith. Tombony ho azy ireo ny traikefa. Nanana ny tanjaka kosa ny My-Sah, saingy lesoka ny famonoam-baolina, na dia nanao izay ho afany aza ry Natacha sy i Califanie. Nitarika tamin’ny isa 9 no ho 5 ny THBC teo am-pialantsasatra. Fizaram-potoana faharoa, nanafaingana ny lalao ny ekipan’Itasy ka nifanakaiky ny isa. 5 mn tsy hiravana, 16 no ho 14. Tsy hain’ny My-Sah anefa ny nanararaotra ny tsy fahampian’ny THBC, rehefa voasazy 2 mn i Aina. «Mafy ny mpifanandrina saingy nahay nampiasa ny paikady nomen’ny mpanazatra anay izahay», hoy i Aina. Voahosotra ho mpilalao mendrika i Jenny ary i Zarinah no nahazo izany ho an’ny mpiandry tsatoby. Namono baolina be indrindra i Aina. Izy ireo izay samy mpilalaon’ny THBC avokoa.

Teo amin’ny lehilahy, resin’ny Asco Toliara, tamin’ny isa 33 no ho 30, ny St Michel. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI), hatao eto Madagasikara, ny volana oktobra izao izany, ny THBC sy ny Asco. Nandritra ity famaranana ity, nanolotra baolina efatra baoritra ho an’ny Federasiona malagasy ny Federasiona iraisam-pirenena. Nozaraina ho an’ireo ekipa nandray anjara izany.

Tompondaka

Partager sur: