Antenimierampirenena: volavolan-dalàna mahakasika ny hetra

Nodinihina teny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, ny 19 jona teo, ny volavolan-dalàna laharana 014-2024, niaraka tamin’ny teknisiana avy ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Votoatiny ny fifanarahana iraisam-pirenena ifanampian’ny sampandraharahan’ny hetra amin’ny lafiny fifanakalozam-baovao sy ara-ketra. Miisa 147 ny firenena nanao sonia ity fifanarahana ity. Tanjona amin’ilay volavolan-dalàna ny  hampitomboana ny hetra miditra amin’ny firenena, sady hisorohana ny hosoka ara-ketra sy ny fampandosirana ny hetra any ivelany.

Taorian’ny fivorian’ny asam-baomiera, toy ny fanao mahazatra, natao ny tsangan-tanana teo anivon’ny fivoriambe nandraisan’ny solombavambahoaka anjara. Lany tsy nisy nitsipaka ity volavolan-dalàna ity.

Njaka A.

Partager sur: