Antsam-piderana teny Mahamasina: niombom-po sy nivavaka ho an’i Madagasikara ny vahoaka

Nanamafy ny finoana an’Andrimanitra sy ny fitiavan-tanindrazana ny Malagasy, omaly. Niray fo sy nitrotro amim-bavaka ny firenena ireo olona an’alinkisa, teny Mahamasina.

Tontosa omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Antsam-piderana ho an’ny firenena”. Fampisehoana nitondrana am-bavaka ny firenena, niarahana tamin’ireo mpanakanto, mpihira, ara-pilazantsara maro samihafa. Tonga niatrika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Nanotrona azy ny olona manan-kaja sy olom-panjakana ary olom-boafidy isan-karazany, eto amin’ny firenena. Tanjona amin’ny hetsika ny fiombonam-pon’ ny Malagasy tsivakivolo ao anatin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao. Nanafana ny sehatra, nandritra izany, ireo mpanakanto, mpihira ara-pilazantsara, sangany eto Madagasikara sy avy any ivelany. Anisan’izany i Rija Rasolondraibe, Jaw’s Bands, Pepe Shine, Joseph d’Af, Pasteur Jocelyn. Tonga nanome voninahitra sy niaka-tsehatra, nandritra ny hetsika, koa i Maggie Blanchard, izay nafarana manokana handray anjara amin’ny sehatra. Ankoatra ny mpanakanto sangany, anisan’ny nampiavaka ny seho ihany koa ny haingon-tsehatra sy ny jiro ary ny hazavana. Zary lasa fomba fanao isan-taona ny fampisehoana ara-pilazantsara rehefa ankatoky ny fetim-pirenena sahala amin’izao. Tomefy olona ny kianja Barea, nandritra iny hetsika iny. Ankoatra ny fijerena fampisehoana niarahana tamin’ireo mpahay kanto, mpihira, ara-pilazantsara, anisan’ny antony nahatongavan’ireo vahoaka maro ihany koa ny fitrotroana am-bavaka ny firenena. “Zava-dehibe ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra, indrindra ny fiainam-pirenena.” hoy ny mpanatrika iray nanontaniana.

Lin

Partager sur: