Atletisma – Tompondakan’i Afrika Sénior 2024: nahazo medaly alimo i Sidonie teo amin’ny 100 m misy fefy

Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja atletisma 2024, ho an’ny sokajy Sénior. Norombahin’i Sidonie Fiadanantsoa ny medaly alimo rehefa nahazo ny laharana fahatelo ny tenany.

 Tanterahina any Douala Cameroun, nanomboka ny zoma lasa teo, ny andiany faha-23 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2024, taranja fototra atletisma ho an’ny sokajy Sénior lahy sy vavy. Anisan’ireo nanana solontena tamin’izany ny Malagasy, tamin’ny alalan’i Sidonie Fiadanantsoa sy i Claudine Nomenjanahary.

Tsy nitsanga-menatra nanoloana ireo firenena afrikana maro tonga niatrika ity fifaninanana farany hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2024), hatao any Paris France ity i Madagasikara. Ny sabotsy lasa teo, nandrombaka ny medaly alimo i Sidonie nandritra ny famaranana teo amin’ny 100 m misy fefy. Laharana fahatelo ny tovovavy, rehefa nahatontosa ny hazakazany tao anatin’ny 12 s 98 %.

Nahazo ny medaly volamena, ilay liberianina, i Ebony Morrison. 12 s 70% ny fe-potoana vitany ary ilay afrikanina tatsimo, i Marione Fourie, no nahazo ny volafotsy, nahatontosa ny halavirana tao anatin’ny 12 s 74%. «Faly aho nahazo iny vokatra iny na niaina olana maro samihafa ka tsy nahafahana nifantoka tsara tao anatin’ny fifaninanana aza», hoy izy. Misaotra ireo rehetra nanampy nahatongavana taty ary manaitra ny sain’ny Federasiona mba hijery akaiky ireo atleta miaro ny voninahi-pirenena», hoy izy.

Nahazo fanasana manokana 

Tsy tratran’i Sidonie, ny fe-potoana kely indrindra ilaina «minima», 12 s 50 % hahazoana miatrika ny lalao Olympika, tamin’ity dingana farany natao tany Cameroun ity. Na izany aza, noho ny zava-bitany, tamin’ireo fihaonana efa nataony tany aloha, toy ny lalao Afrikanina natao tany Ghana sy ny fifaninanana ho an’ireo tany miteny frantsay tany RD Congo, nahazo fanasana manokana «wild card» avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena ihany ny tenany  hahazoany miatrika ity lalao Olympika hatao any Paris France, manomboka ny 26 jolay ho avy izao, ity.

Ankoatra izay, tsy matiny ihany koa ny fe-potoana tsara indrindra vitany. Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana ny 100 m tsotra kosa i Claudine Nomenjanahary. Tsiahivina fa atleta miofana ao amin’ny ivontoerana any Dakar Sénégal, izy mirahavavy.

Tompondaka

Partager sur: