Mahomby ny fanentanana sy fandresen-dahatra ataon’ireo mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony ka maro no tonga manao fanabeazana aizana. Ny USAID Access no nizara ny teknikam-panentanana mahomby.
Manodidina ny 40 isan’andro ireo olona tonga manao fandrindram-piterahana ao amin’ny CSBII Anjoma, Fianarantsoa, araka ny fanazavana nentin’ny rasazy Rambeloson Nivo. 15 taona ny zandriny indrindra, ary 48 taona no zokiny indrindra. Tsindrona no tena safidin’izy ireo ankoatra ny implanon satria ireo no maharitra aman-taona.
Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny fandaharanasa USAID Access nanomboka ny taona 2019 dia nisy ny fanofanana natao. Betsaka ny fanavaozana sy ny fanatsarana, indrindra tamin’ny teknikam-panentanana sy ny fandresen-dahatra nentina teny ifotony tamin’ny alalan’ireo mpanentana ara-pahasalamana. Niakatra, araka izany, ny olona liana sy manao fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.
Tamin’ny taona 2023 no nisy fotoana tsy ampy ny fanafody fandrindrana fiainam-pianakaviana ary tonga ny Access namatsy ka nahafahana nanohy ny tolotra maimaimpoana.
Atao amin’ny rehetra ny fanentanana ary anisan’izany ny raim-pianakaviana. Raim-pianakaviana roa tamin’ity taona ity no naniry ny hatao vasectomie, tao amin’ny CSBII Anjoma, izay fandrindram-piterahana ho an’ny lehilahy. Nalefa any amin’ny hopitaly izy ireo hanao izany. Efa maro ireo raim-pianakaviana resy lahatra ary mampirisika ny vadiny hampiasa ny fomba fanabeazana aizana hampirindra ny fiterahana.
Misy ireo ankizivavy manana fahasembanana entin’ny ray aman-dreniny mihitsy eny amin’ny tobim-pahasalamana manao fandrindram-piterahana ho fisorohana amin’ny vohoka tsy irina mety ho azo amin’ny herisetra fanolanana.
Ao koa ireo tanora, lahy sy vavy mpifankatia, mandeha maka torohevitra sy manao fanabeazana aizana mangingina tsy fantatry ny ray aman-dreny akory manatona tobim-pahasalamana, araka ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitry ny fahasalamana hatrany.
Tatiana A