Fantina sy fintina

Notsiahivin’ny mpisintona lakolosy, Raharimanana Patrick, omaly, tao amin’ny  Facebook  ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Nambarany fa mivory manokana avy hatrany ny Antenimierampirenena ny talata faharoa manaraka ny fanambaran’ny HCC ny vokatry ny fifidianana azy ireo. « Hatsangana amin’izany fivoriana izany ny birao maharitra sy ny filohan’ireo vaomiera. Manana zo hanana ny toeran’ny filoha lefitra iray ny mpanohitra ary mitarika ny iray amin’ireo vaomiera fara fahakeliny », hoy izy.

Mpilatsaka an-tsitrapo « Diasopra », miisa 10 no hiantsehatra amin’ny faritra maromaro. Anisan’ny asa hataon’izy ireo eny ifotony ny fiaraha-miasa amin’ireo kaominina sy ireo fikambanana na koa rafitra eny amin’ny faritra na eny anivon’ny distrika. Hizara ny traikefany izy ireo ary hifanakalo fahaiza-manao ka haharitra hatramin’ny enim-bolana ny faharetany. Tafiditra amin’ilay tetikasa « Loharano », iarahana amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny izao hetsika izao.

Efa ao anatin’ny propagandy ireo kandidà amin’ny fifidianana depiote hatao any Frantsa, amin’ny fiandohan’ny volana jolay ho avy izao. Anisan’ny mpifaninana amin’izany ireo mahaleo tena, i Ali Camille Hojej, sy i Sandra Gorayeb. Miezaka mandresy lahatra ireo Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay eto amintsika, hifidy amin’izany izy ireo. Voizin’izy mianadahy ny tsy tokony hanilihana ireo teratany frantsay aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy ivelan’i Frantsa.

Partager sur: