Fivoriana manokana eny Tsimbazaza: hangotraka ny fifidianana ny birao maharitra

Tsy azo ihodivirana ny fivoriana manokana eo anivon’ny Antenimierampirenena, aorian’ny famoahan’ny HCC ny voka-pifidianana ofisialy. Anisan’ny hiompanan’ny dinika voalohany ny fandrafetana ireo ho mpikambana eo anivon’ny birao maharitra.

Hotanterahina amin’ny alalan’ny latsabato miafina ny fifidianana amin’izany ka hofidin’ireo depiote voalohany ny ho filohan’ity Andrimpanjakana mpanao lalàna ity. Efa manana ny maro anisa na tsy tena mbola nahafeno ny antsasa-manila, miisa 82 aza ny vovonana Irmar, raha ny voka-pifidianana vonjimaika teo anivon’ny Ceni. Efa nisy ihany anefa ny fifanatonana samihafa ary fikatonan-trano nataon’ireo lohandohany amin’ireo tsy miankina ahazoana antoka ny maro anisa eny Tsimbazaza.

Ao anatin’izany ny nivoahan’ny tsilian-tsofina fa mbola avy any amin’ny faritan’i Fianarantsoa, tahaka ny teo aloha ihany, ary vehivavy no hitana izany andraikitry ny ho filohan’ny Antenimiera izany. Mety hangotraka koa anefa ny adivarotra sy ny takalom-patsa vidim-pihinanana amin’ireo ho filoha lefitra isam-paritany. Tahaka izany koa ireo ho kestora telo ary ireo ho filoham-baomiera.

Depiote mpanohitra sy ny mahaleo tena

Etsy andaniny, tsy hipetra-potsiny fa tsy maintsy hanana kandidà koa anefa ny depiote mpanohitra ary hifandresy lahatra amin’ireo solombavambahoaka mahaleo tena. Farafaharatsiny mahazo any amin’ny filoham-baomiera any. Mety hanana ny heviny sy ny olony koa ireo tsy miankina miisa 55 hatreto ka hanolotra kandidà amin’ireo seza sasany eny Tsimbazaza.

Tsiahivina fa nolanian’ireo depiote amperinasa 100% ny filoha teo aloha, Razanamahasoa Christine. Nifandaminan’izy rehetra avy eo ny kestora sy ireo filoha lefitra ary filoham-baomiera.

Synèse R.

Partager sur: