Loholona Tsiebo Mahaleo : “Mba tsy ho tafiditra amin’ny fanakorontanana ny 26 jona ny vahoaka”

“Ireo milaza azy hoe tia tanindrazana sy tsy tia vazaha izao no manimbazimba sy manao tsinontsinona ny fankalazana ny Fahaleovantenam-pirenena. Hita porofo amin’izao fa ireo no tena fahavalom-pirenena, manao tsinontsinona ny hasin’ny tanindrazana”. Io ny valin-kafatry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard V. momba ny hetsika kasain’ny Antenimieran’ny raiamandreny foko malagasy (ARFM) hatao eny Mahamasina, amin’ny 26 jona. “Misy ny hoe fiatoana politika rehefa fety toy ny Krismasy, fetim-pirenena… Ny hampisy sakoroka indray no tian-dry zareo hatao amin’ny 26 jona. Miantso ny vahoaka aho mba tsy ho tafiditra ao anatin’ny vela-pandrika”, hoy izy. Tsotra ny an-dry zareo mpanakorontana: raha tsy mbola izy no eo amin’ny fitondrana, tsy raharahany inona izany firenena sy ny vahoaka izany. Ny azy dia hoe: na izy eo amin’ny fitondrana na tsia, korontaniny ny tany sy ny fanjakana ary ataony izay hampijaly ny firenena.

“Ny anton’ny hirotsahan-dry zareo ho depiote: fitaovana hampiasainy hahazoany manakorontana ny tany sy fanjakana”, hoy kosa izy ny amin’ny tetiky ny mpanohitra sasany  ny amin’ny valim-pifidianana. Izao ry zareo dia efa mandrahona sy mampihorohoro hoe rehefa tsy voafidy ny olony dia hikorontana. Angaha ny HCC afa-manova ny safidin’ny vahoaka? Ny fanaraha-maso hoe mifanaraka amin’ny lalàna sa tsia ny fizotran’ny fifidianana no anjara asan’ny HCC, fa tsy izy indray no hisolo tena ny vahoaka: izay tsy voafidim-bahoaka indray no hatao voafidy. Fanjakana tan-dalàna i Madagasikara ary tsy ho voarebireby ny vahoaka. Tsy ny mamba noana sy ny mamba fahefana no hanaovana sorona ny fiainam-bahoaka.

R. Nd.

Partager sur: