Hanainga rahampitso, ho any amin’ny Nosy Maorisy, ny ekipam-pirenena malagasy Makis seven de Madagascar. Hiatrika ny « Africa Men’s tour », taranja rugby, lalaovin’olona fito ireo lehilahy mpilalao. Miray vondrona amin’izy ireo, i Maurice, mpampiantrano, Nigeria, ary i Kenya.
Nifarana omaly, tany Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, N1A faritra afovoany, taranja basikety. Ho an’ny sokajy vehivavy, norombahin’ny MB2All Analamanga ny amboara rehefa lavon’izy ireo tamin’ny isa 56 no ho 49 ny JEA Vakinankaratra. Ny ekipan’ny MB2All izay ahitana ireo mpilalao Ankoay, ry Muriel sy Christiane.
Hotanterahina anio, ny andro faran’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Euro 2024 », izay hatao any Allemagne. Ho an’ny vondrona “B”, hiady ny tapakila hiakarana any amin’ny ampahavalon-dalana i Croatie sy i Italie. Efa tafita any amin’ny dingana manaraka kosa i Espagne, voalohany amin’ity vondrona ity.