« Star Tour Antananarivo »: nahasarika mpankafy maro ry AmbondronA

3 andro an-danonana ny tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny faran’ny herinandro teo. Tontosa ary nahatratra ny tanjona ny « Star Tour » andiany faharoa tamin’ity taona ity, ho an’Antananarivo. Tsy nahasakana ireo mpiala voly ny hatsiaka, satria nampafana hatramin’ny farany ny fety. Raha hanaovana jery todika ny lanonana nandritra ny telo andro, tsy misy ady hevitra fa ny andro faharoa no nafana indrindra. Fotoana izay niakaran’ny tarika AmbondronA an-tsehatra io, ka tsy nahagaga ihany raha toa ka hipoka ny toerana ary mbola maro ireo voatery niandry ny toerana halalaka vao afaka niditra indray. Tsy niala tamin’ny nankafizan’ny maro azy rahateo ry Kix sy ny namany, namerina ireo hira nitaiza tao anatin’ny 20 taona mahery.
Nialoha izay anefa, nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpankafy an-dry Agrad sy Skaiz. Nahafaly ireo mpijery ny nahita azy mirahalahy tafaraka an-tsehatra indray, indrindra koa namerina ireo hira nahafantarana azy ireo voalohany. Na izany aza, samy nizara ireo hirany ihany koa ry zalahy. Na tsy nahatoraka ny andro faharoa aza, fotoana niarahan’ny mpianakavy ihany koa ny alahady. Nanafana ny sehatra ry Princio, L Jo ary i Ceasar, izay tena nandrasan’ny maro, na efa maizina aza.
Fa tsy fampisehoana irery no nahasarika ny mpankafy « Star Tour ». Teo koa ireo lalao isan-karazany, sy ny « Revy pression », izay nohafanain’ireo mpikosoka kapila malaza ary nentanin’i Teg. Nitondra karazan-dalao sy fanentanana vaovao ihany koa i Bahrone sy i Eric Fou Hehy teny amin’ny sehatra lehibe.
Tratra ny tanjona na ara-barotra na amin’ny maha hetsika ara-javakanto azy tamin’ity andiany ity. Any Toamasina indray ny « Star Tour » fahatelo amin’ity taona ity, any amin’ny volana oktobra any.

Zo ny Aina

Partager sur: