Taratry ny kanto

Hetsika maro no nentin’ny teto Madagasikara nanamarika ny “Fête de la musique”, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Samy nahitana hetsika avy ny teny anivon’ireo renivohi-paritany, manerana ny Nosy. Fotoana iray nanomezana lanja manokana ny mozika sy ireo mpahay kanto, mpihira, indrindra ireo vao misandratra.

“Fitiavana, Tanindrazana, Fozaorana”. Vokatra vaovao no ampanantenain’i Johary Ravaloson, Malagasy mpanoratra anisan’ny sangany. Ny 2/3 an’ny boky no efa azo jifain’ny mpankafy, amin’ny endriny nomerika. 430 pejy ity boky ity. Boky izay efa antenain’ny mpankafy boky.

Tanterahina anio sy rahampitso, manerana ny tranomboky monisipaly manerana an’Antananarivo, ny “Iarivo sy ny boky mankalaza ny fetim-pirenena”. Hetsika ara-javakanto sy kolontsaina maro no hita mandritra izany. Anisan’izany ny dihy sy korana entina miara-paly amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao.

Tanterahina anio, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, ny “Faq Art& Biodiversité”. Hetsika ara-javakanto mifantoka amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Ankoatra ny fampirantiana, hisy ny fanentanana fikajiana tontolo iainana.

Partager sur: