Vono olona: lehilahy maty nokapaina famaky sy voatsatoka antsy

Naratra mafy ny roa lahy ary namoy ny ainy ny namany nandritra ny vono olona tao Tsiroanomandidy. Nandositra avokoa ireo nahavanon-doza.

Lehilahy iray voakapa famaky teo amin’ny handriny sady voatsatok’antsy ny tendany, tao Tsararivotra, Fokontany  Betaikomby, kaominina ambanivohitra Maritampona, Distrika Tsiroanomandidy, tamin’ny 11 ora maraina teo. Avy namonjy raharaham-panambadiana, nifanehatra tamin’ny olon-dratsy ny telo lahy. Niafina tao amin’ny mangingina, nitondra fitaovam-piadiana ireo olon-datsy. Nampiasa famaky sy antsy izy ireo ka namono avy hatrany ireo telo lahy. Nitondra bisikileta sy entana avy nampiasainy tamin’ny fanatrehana ilay raharaha izy ireo. Niezaka nanohitra ireo olon-dratsy izy telo lahy. Nanao tari-dositra ny roa raha toa ka tsy navotsitr’ireo olona nirongo zava-maranitra ny iray. Naharay loharanom-baovao ny zandary ka nijery ny zava-nisy. Nentin’ny fokonolona nihazo ny CSBII Bemahatazana ireo roa lahy voa mafy. Nakarina ao amin’ny CHRR Tsiroanomandidy, taorian’ny fitsaboana vonjy taitra. Tetsy ankilany, nifampitadiavana ny naman’ireo roa naratra ireo. Hita faty tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny fifamonoana izy. Nofirain’ireo tsy mataho-tody famaky ny handriny. Voatsatoka antsy ny tendany.

Tsy nisy nipika

Mampiahiahy ny fianakavian’ireo telo lahy lasibatra ity tranga vono olona ity. Tsy nisy nietsika ny entana sy ny bisikileta an’izy telo mirahalahy niharan’ny daroka nataon’ireo olon-dratsy. Manoloana io tranga io, manatontosa ny fikarohana izay nahavanon-doza ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ilay namoy ny ainy. Miantso ireo manana loharanom-baovao momba ireo nahavanon-doza ny zandarimaria ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: