Narian’ny olon-dratsy tao anaty bozaka ny lakolosim-piangonana iray eny Manankasina, fokontany Ambohijatovo, kaominina Fenoarivo, distrika Antananarivo Atsimondrano, omaly. Nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ny zandarimaria miasa ao amin’ny borigady eny an-toerana. Nahita tampoka io lakolosy io. Nentina nihazo ny biraon’ny mpitandro filaminana avy hatrany io fitaovam-piangonana io. Tsy fantatra hatreto ny toerana nangalaran’ireo olon-dratsy azy. Manao fampandrenesana ho an’ny tomponandraikitra eo anivon’ny fiangonana nitrangan’ny halatra lakolosy ny zandary ao Fenoarivo. Miroso amin’ny fikarohana ny tompon’antoka tamin’izao asa ratsy izao izy ireo.
Tsiferana R.