Fiaraha-miasa amin’ny Unicef: hiaro ny zon’ny ankizy ny fitsinjaram-pahefana

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany tetsy Anosy, omaly, ny solotena maharitry ny Unicef eto amintsika, i Christine Jaulmes. Voa­resaka tamin’izany fihaonana izany ireo lohahevitra samihafa. Nisongadina ny momba ny sehatry ny fitsinjaram-pahefana sy ny andraikitra sahanin’ity Sampan­dra­harahan’ny Fire­nana mikambana misahana ny reny sy ny zaza ity. Tafi­ditra ao anatin’izany ny ho fiarovana ny zon’ireo ankizy manerana ny Nosy, hatreny ifotony.
Samy naneho fahavononana ny roa tonta hiara-hiasa ho fampandrosoana izany fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany izany ary ny firenena manontolo.
Etsy andaniny, nisitraka kojakoja samihafa amin’izao fetim-pirenena izao na “Panier garni” ireo mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, etsy Anosy, omaly. Ho fanamarihana ny firaisankina sy ny fifampitsinjovana eo amin’ny samy mpiara-miasa eo anivon’izany minisitera izany sady eo koa ny fanamarihana sy ny fankalazana ny niverenan’ny Faha­leovantena.
Tonga nanolotra izany, tamin’ny anaran’ny minisitry ny Atitany mpisolo toerana, Andriantsitohaina Naina, ny sekretera jeneraly sy ny talen’ny Kabinetra.
Nankasitraka sy nisaotra izany ireo mpiara-miasa rehetra tamin’ny alalan’ny solotenan’izy ireo nandray anjara fitenenana.

Synèse R.

Partager sur: