Fiarovana ny tontolo iainana: maro ny andraikitry iantsorohan’ny mpianala

Androm-pirenena ho an’ny mpianala omaly 24 jona. Tsy mbola ampy ny isan’izy ireo, raha oharina
amin’ny velaran’ny ala eto amintsika, araka ny fenitra iraisam-pirenena.

Misy karazany roa ny mpianala. Voalohany, ny injenie­ran’ny rano sy ny ala, miofana eny amin’ny Sekoly ambony momba ny siansan’ny fambolena Ankatso, misahana ny fandrindrana sy fitantanana maharitra ary ny fiarovana ny otrikarena voajanahary. Faharoa, ny teknisiana lefitra sy ny mpiasa ara-teknikan’ny rano sy ny ala. Miofana eny amin’ny Foibem-pirenena manofana teknisian’ny ala eny Angavokely. Midina eny ifotony izy ireo manatanteraka ny paikady sy ny drafitrasam-pitantanana ny ala. Ao anatin’izany andraikitra izany ny fitantanana ny fambolen-kazo, ny ady
amin’ny doro ala sy tanety, ny fanentanana mahakasika ny tontolo iainana ary ny fampiha­rana ny lalàna. Nomarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Fon­taine, omaly, fa sokajiana mi­fanahaka amin’ny miaramila (para-militaire) ny mpianala. Manana adidy amin’ny fia­rovana ny ala izy ireo. Vina lehibe apetraky ny filoham-pirenena ny handrakofana ala an’i Madagasikara.

Mpianala iray ho an’ny ala 20 000 ha

Miisa 336, ankehitriny, ny injeniera sy ny teknisian’ny ala, ka vehivavy ny 112. Manana ny sata « Officiers de police administrative (OPA) » sy « Officiers de police judiciaire (OPJ) », eo ambany fibaikoan’ny tale jeneralin’ny Ala ao amin’ny Medd, Razafindrabe Rinah. Tsy ampy ireo isa ireo, satria raha ny fenitra, mpianala iray no misahana ala mirefy ala 2 000 ha. Mbola mpianala iray ho an’ny ala 20 000 ha anefa ny eto amintsika. Nampiakarina galona ny mpianala fito, omaly, ary nisy iray hafa notolorana mari-boninahitra Chevalier de l’Ordre national. Miisa 126 izy ireo no mandray anjara amin’ny matso lehibe etsy Mahamasina, rahampitso, 26 jona, izay mizara andiany roa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: