FJKM Amparibe Famonjena – RFF: hiaraka hihira amin’ i Henri Ratsimbazafy

Anisan’ny mampiavaka ny RFF Amparibe Famonjena ny fanatanterahana hetsika ho an’ny tanindrazana sy ny ankizy hanala fanadinanna. Ho an’ity taona 2024 ity, hiaka-tsehatra ihany koa i Henri Ratsimbazafy!

Hotanterahina, anio talata 25 jona, etsy amin’ny FJKM Amparibe Famo­njena, manomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva ilay hetsika lehibe, vavaka ho an’ny tanindrazana sy fangataham-pitahiana ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinana BEPC sy baccalaureat. Mpi­karakara izany ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF) ao an-toerana. Ho vahinin’izy ireo amin’ity i Henri Ratsimbazafy. Tsy vao izao akory ny roa tonta no hiaraka amin’ny fikaloana hira fiderana, saingy, amin’ity hiavaka tsy toy izay efa niseho.

Samy hanao ny hirany izy ireo ary hisy ny hiarahana. «Taranaka voafidy, firenena masina»,

(I Petera 2 and 9), nosafidiana ho teny filamatra sy lohahevitra. Ny mpitandrina Razafindrakoto Hasinarivo, hitory teny sy hitondra am-bavaka. Hanentana ny fotoana rehetra kosa Razafin­drakoto Hasinirina.

Ora roa ny faharetan’ny hetsika ka ny tapany voalohany, hitondrana am-bavaka ny fiainan’ny firenena. Manom­boka amin’ny 7 ora hariva, hiaraka hianoka ny fijerena ny afomanga miainga eo Anosy ny rehetra. Aorian’izay, miditra amin’ny tapany faharoa natokana ho an’ny fitondrana am-bavaka ireo zandry sy zanaka hiatrika ny fanadinam-panjakana. Tsiahivina fa andiany faha -22 ity hetsika ity ka omen’ny RFF sehatra manokana ny hira «gospel», ao anatin’ny hazavana sy jiro raitra sy matihanina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: